ActualitésCultureTsidika

Ambohimanga : Ny tantaran’Ambatondradama

Vohitra iray eny avaratr’Ambohimanga i Ambatondradama. Manamarika azy ny fisian’ireo doany izany fangataham-pitahiana sy famerenan-kasina na fangatahana vavaka. Miisa 7 izany toerana izany, ary samy manana ny hasiny sy ny fombany avokoa, araka ny voalaza.

“Toerana voalohany hita ao Ambatondradama ny doanin’I nenibe Ramaroanaka, izay toerana fangatahana ho an’ny vehivavy tsy mananjanaka, vehivavy mitady zaza, te hateza amin’ny asa sy ireo mpianatra izany. Efa tamin’ny andron’I Radama no nananganana azy, izany hoe tamin’ny taona 1818 sy 1828. Misy ihany koa ny Lapa na valamenan’I Randrampitsarana sy Raketamanga, izay fangatahana tso-drano sy fanaovana hasina sy ny maro hafa. Hita manarak’izany ihany koa ny doan’I Radama, izay ahitana ny vato nentin’ny mpanjaka Radama ka nahatonga ny anaran’ny toerana ho Ambatondradama” hoy ireo mpahay fomba ao an-toerana.

“Raha miakatra ambony indray dia mahita ny zomba na valamenan’Andriamisara izay moasy nifanaraka tamin’Andrianampoinimerina ka nifaninana tao Ankazomalaza nanatsatoka tehina ka iay iray maniry. Ankoatra izay, ny misy an’I nenibe Ramaitsoakanjo, izay toerana fangatahan’olona zanaka ary ao avaratra no misy an’I nenibe Ravola ary ny farany ambony no misy ny loharano fandroana sy azo alaina hakana hery ho an’ny mpanao haiady” hoy hatrany ny fanazavana.

Samy manana ny hasiny sy ny fombany avokoa koa moa ireo doany ireo ary samy manana ny fadiny. Mila tandrovana mandrakariva araka izany ireo toerana ireo ary tsy tokony hijobohana fahatany satria mety hampidi-doza raha tsy mitandrina na tsy mahay fomba.

Raha misy lahatsoratra tianao ho avoaka eto amin’ny site, azonao atao ny manoratra amin’ny « gazety.tsidika.avaradrano@gmail.com »

Manitra R.

Laisser un commentaire