ActualitésTatitra

Chine : Nahatratra 52,2°C ny mari-pana tao an-toerana

Ny 16 jolay teo no voarakitra ny mari-pana ambony indrindra tao Chine. Tafiakatra 52,2°C izany tao amin’ny tanànan’i Turpan, ao Xinjiang raha ny tatitry ny mpanangon-drakitra nasionaly momba ny toetr’andro tao Sanbao. Raha tsiahivina dia tao an-toerana ihany no nahitana ny mari-pana farany ambony indrindra manerana ny firenena tamin’ny volana jolay 2027 izay nahatratra 50,6°C.

Voasokajy ho « ville-oasis » i Turpan, eo amin’ny fidirana ny tany efitra Taklamakan no misy azy. Isany toerana maina sy mamay indrindra ao amin’ny firenena izany ary manam-porofo izany io angon-drakotra vaovao io hoy ny tompon’andraikitra. Marihana fa tao anatiny fotoana vitsvitsy izao dia faritra maromaro ao an-toerana no misedra onjan’hafanana goavana. Ireo faritany « semi-désertique » manamorona an’i Asie afovoany no tena voakasik’izany.

Hatreto kosa dia mbola i Mohe, tanàna eo anelanelan’ny sisintanin’i Chine sy i Russie no mitàna mari-pana ambany sy mangatsiaka indrindra. Ny volana janoary teo dia nahatratra -53°C ny mari-pana tao an-toerana.

Laisser un commentaire