ActualitésSocialTsidika

Ambohimalaza: Nitondra fanentanana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny zandary

Notanterahana ny faran’ny herinandro teo ny firotsahana an-tsehatra, nitondrana fanentanana ho an’ny mponina tao amin’ny fokontany Ambatomalaza, kaominina Ambohimalaza, mahakasika ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana. Nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimaria avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, araka ny voalaza.

“Natao izao fidinana ifotony izao mba hanamafisana ny tagnamaron’ ny fandriam- pahalemana sy fihainoana mivantana ny fitarainan’ ny vahoaka mikasika ny fandriam- pahalemana, fampianarana azy ireo ny didy mandrara sy ny didy manery ,fampianarana ny antsoina hoe fiarovan- tena isan- tanana ary fanamafisana ny fifandraisana mivantana eo amin’ ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana” hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.

“Tena ilaina mihitsy ny fanentanana tahaka izao. Efa iaraha-mahita ny tsy fandriam-pahalemana ety an-toerana tato ho ato. Mandry tsy lavo loha ny mponina vokatry ny asa ratsy isan-karazany. Hantenaina fa hisy vokany ary hampilamina ny tanàna izany hetsika izany” hoy i Laza, mponina ao Ambohimalaza.

Ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no manamora ny fanenjehana na ny fanatratrarana ny mpanao ratsy. Izany ihany koa no hanentanana ny mponina mba ho sahy handray andraikitra. Naparitaka, nomena ny mponina moa ny lahan-tariby afaka hiantsoana ny zandary raha misy ny tranga hafahafa.

GN AMBOHIMALAZA : 0340570072

Manitra R.

Laisser un commentaire