Maurice: Hiverina hisokatra ny sidina mampifandray ny nosy sy Italie
Hiverina hiasa ao amin’ny nosy Maurice ny Neos ny 8 novambra izao. Hisokatra amin’io fotoana io ny sidina mampifandray ny nosy sy ny seranam-piaramanidina ao Milan Malpensa sy Rome-Fiumicino. Raha ny fanazavan’io orinasam-piaramanidina Neos io dia sidina indray isan-kerinandro atao ny alarobia no hotontosain’izy ireo.
Hatramin’ny volana may 2024 kosa no faharetan’io tolotra io hoy ny talen’ny Omarjee Aviation, Umarfarooq Omarjee. Marihana fa io orinasa io dia voafidy ho GSA (General Sales Agent) ny orinasa Neos. Nanamafy kosa ny tenany fa ny Boeing 787 izay misy fizarana telo :Economy, Economy Plus ary Premium no hiasa amin’io zotra io
