Ankadikely Ilafy: Nifanome-tanana amin’ny fanalana ny fako ao an-toerana ny kaominina Talata Volonondry
Mitohy hatrany ny ezaka fanalana ny fako ataon’ireo tomponandraikitra misahana izany, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Miasa ao anatin’ny 07 andro amin’ny 07 andro ireo ekipa mpanadio ary tsy mikely soroka amin’ny fanalana ireo fako ao an-toerana, raha ny voalaza.
« Hisaorana manokana ireo ekipa mpanadio noho ny erim-po sy ny finiavana hananan’izy ireo. Hisaorana indrindra ihany koa ny kaominina Talata Volonondry amin’ny fanomezan-tanana ka nahafahana nanohy ny asa na dia misy aza ny fanamboarana ireo fiara lehiben’ny kaominina izay misy tsy fahatomombanana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Amin’izao fotoana izao, efa mandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny tsirairay. Ary ao anatin’izany indrindra no hanentanana vahoaka mba samy hanaraka ny fandaminana » hoy hatrany ny fanazavana.
Olana lehibe mila vahaolana maharitra ny fanalana ny fako ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mbola maro ireo fako mivangongo eny amin’ny fokontany ka mampimenomenona ny ankamaroan’ny mponina, toa izany ny ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba sy ny fokontany Ilafy.
Manitra R.
