Tsidika

Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra : Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao vaoafantina hiatraka ny Lalaon’ny Nosy

Ho fanadraisana anjara sy fanomanana ny Lalaon’ny Nosy izay ho tanterahina ny volana Aogisitra ho avy izao dia naneho ny fahavononany ihany koa ny avy amin’ny taranja baolina kitra. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao voafantina hiatrika ny fifaninanana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra. Mpilalao miisa 30 no voafantina ka mpilalao avy eto an-toerana avokoa ny akamaroan’ izy ireo. Ho fanatsarana ny ekipa dia niantso mpilalao Malagasy miisa 6 avy amin’ny klioba any ivelany ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe dia i Rojo Andriamanjato (Saint Pauloise FC), Angelo Andreas Andrianantenaina (AS Excelsior), Théodin Ramanjary (Sainte Suzanne), Ando Manoelantsoa (JS St Pierroise), Baggio Romario Rakotoarisoa (Jeanne d’Arc) ary i El Hadary Raheriniaina (Saint Michel United).

« Tahaka ny taranja rehetra dia efa vonona tsara ihany koa izahay avy ato amin’ny baolina kitra ny hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Isika no mpampiantrano amin’io ka mila mamoaka vokatra tsara satria efa tombony ho antsika izany. Tsy mandeha ho azy anefa ny fandresena fa mila miady ka izay no antony efa hamondronana matetika ireo mpilalao » hoy ny mpanazatra Misy amin’ireo mpilalao no mbola tsy zatra miaraka kanefa naneho ny fiaraha-mientany ihany koa izy ireo ho fiadiana ny amboara mandritry ny lalao. « Misy aminay no amin’ity Lalaon’ny Nosy ity mihitsy vao tena hiaraka kanefa efa fotoana lavalava no nifankazarana sy nifampizarana traikefa ka vonona tsara hiatrika ny mpifanandrina. Hiady izahay ary tsy hitondra henatra ho antsika tompon-trano » hoy ny mpilalao

Hita ho efa mifantoka amin’ny fanazaran-tena tanteraka ihany koa ireo atleta Malagasy izay hifaninana mandritra ity Lalaon’ny Nosy ity.Ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny koa etsy an-daniny efa anatin’ny fanomanana ny fandraisana ireo vahiny avy amin’ireo Nosy manodidina.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire