Comores : Nanomboka ny fanondranana oran-dranomasina ao Chine ny nosy
Nanao sonia fifanaraha ara-barotra maro i Chine sy i Comores ny fiandohan’ny volana jolay teo. Namafisina tamin’ny alalan’ny fanokafana ny fanondranana ny vokatra tao Comores nakao Chine izany. Ny talata teo dia oran-dranomasina na « langoustes vertes » 356 kg no naondrana nankao Chine raha ny tatitry ny ambasadoran’ny firenena ao Moroni, Guo Zijhun.
Fanamafisana ny fifampiraharahana teo amin’ny filoha Xi Jinping sy i Azali Assoumani izany hoy izy ary vao dingana voalohany amin’ny fiaraha-miasa maro mbola ho avy eo amin’ny roa tonta. Isany vokatra heverina fa mbola hiondrana ao Chine ny jirofo ; menaka ylang-ylang ary ny lavanila vokarina ao Comores.
Afaka volana vitsivitsy kosa dia hisy fampirantiana roa ao Chine izay hiarahany miasa amin’ny ligy ny Etats Arabes ny voalohany ary amin’i Afrique ny faharoa. Amin’ireo fampirantiana roa ireo dia mandray anjara maimaimpoana i Comores.
