Tsidika

Basketball : Mpilalao vehivavy Malagasy roa no nisitraka fiofanana avy tamin’ny NBA sy ny FIBA

Mivoatra hatrany ny tontolon’ny Basketball Malagasy, tovovavy Malagasy roa no nisitraka fizarana lalao avy amin’ny NBA (National Basketball Association) sy ny FIBA.

Samy nanana ny toerana nandray azy sy nanaovany io fiofanana io izy roa vavy ireo. I  Kristina Nahitantsoa Rakotobe dia nanaraka ny fiofanana Camp mondial de Basketball BWB 2023 – Basketball Without Borders Globa tany Las Vegas . I Marion Fitia Rasolofoson kosa dia niatrika ny  NBA Game tany Atlanta ny  5 ka hatramin’ny  7 Jolay lasa teo.

Raha ny lalan’i I Kristina sy Marion teo amin’ny Basketball Malagasy dia nilalao tao amin’ny ekipam-pirenena Ankoay U18 izy ireo nandritra ny Afrobasket taona 2022.

“Eo am-pamolavolana ireo ankizy vaovao ho hoavin’ny Basketball Malagasy izahay amin’izao fotoana izao.” raha ny fanambaran’ ny federasionina Malagasy ny taranja Basketball.

“Manomboka misongadina isika eo amin’ny sehatry ny Basket arak’ireny lalao nandraisana anjara maromaro ireny. Ny tena tsara indrindra dia ny manohana azy ireo mba ahafahany mivoatra sy mifaninana amin’ny sehatra ambonimbony kokoa hatrany.” hoy ny mpanazatra Basketball iray.

Ho an’ny mpankafy ity taranja ity kosa dia maniry hatrany izy ireo ny handraisan’ny ekipam-pirenena anjara amin’ny fiadiana ny tompon-daka isan-karazany. “ Ho ahy manokana dia tena mahafinaritra ny mahita hoe mandray anjara any anaty fifaninana iraisam-pirenena ny ekipa Malagasy. Maniry ny hisian’ny toy ireny hatrany ary tena manaraka akaiky mihitsy satria tiana ilay taranja” hoy i Anicet mpankafy Basketball.

Na ny mpankafy na ny mpilalao na ny federasionina dia maniry ny ahalasa lavitra ny ekipam-pirenena avokoa. Izany indindra no imasoan’ny federasionina sy ny mpiara miombon’antoka aminy.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire