Ambohimanga Rova : Ny tantaran’Ambatorangotina, nampanjakana an’Andrianampoinimerina
Teto Ambatorangotina no nampanjakana an’Andrianampoinimerina. Araka ny tantara, nanafatra Andriambelomasina fa Andrianjafy zanany lahimatoa no handimby azy amin’ny fanjakana, ary Andrianampoinimerina kosa no handimby an’Andrianjafy.
Hatramin’ny nandrenesan’Andrianjafy an’io tenin-drainy io dia nankahala an’Imboasalama fatratra izy ary notadiaviny hovonoina io zanak’anabaviny io satria Ralaitokana zanany lahy no tiany ho mpanjaka mandimby azy. Maro ny hevitra samihafa nataon’Andrianjafy mba hahafaty azy, nefa tsy tanteraka avokoa.
Ary izany zavatra izany no nitarika ny sain’Andrianampoinimerina sy ireo loholona Tsimahafotsy 12 lahy hamadika an’Andrianjafy. Anisan’ireo ry Rabefiraisana, ry Rabevanga, ry Andriamandranto sns.
Nony niala teto Ambohimanga ho any Ilafy hamora ny zanany sy hipetrapetraka any Andrianjafy, dia nampandrosoin’ireo ny heviny. Nampidiriny teto anatirovan’Ambohimanga Andrianampoinimerina ka nohasininy toy ny mpanjaka.
Rehefa vita izay dia namory vahoaka ireo 12 lahy, nataony hoe « Tongava any Ambatorangotina izao ankehitriny izao. Misy kabarin’Andriana holazaina amin-tsika vahoaka ». Dia vory tao ny olona. Dia niteny ny iray tamin’ireo loholona nanao hoe: » Fantatrareo fa Andrianjafy dia mpaka an-kerin’ny zavatr’olona sy mpividy mora. Indrindra fa mitady hamono an’Andrianampoinimerina hamadihany ny tenin’Andriambelomasina. Koa amin’izany dia lavintsika ambaniandro. Ary Andrianampoinimerina no Andriana ka lazaina aminareo. Indro efa tafapetraka amin’ny lapa eto Ambohimanga, ka trarantitra anie izy, aza marofy, mifanatera amin’ny Ambanilanitra ! » … Koa dia nanaiky ny vahoaka ary nanasina an’Andrianampoinimerina.
Nony ren’Andrianjafy izany dia naniraka faingana nitsapa izy, kanefa tsy nisy azo natao intsony fa efa indray rendrika avokoa i Tsimahafotsy. Efa voahidy ny vavahadin’ny tanàna ary efa tsara ny fiomanana.
Loharano: Ho Tsangambato (P.B Rasedison,1931) tak. 361-363
