Ambohimangakely : Indroa nisehoana trangam-pifampoivoizana tao Ambatomitsangana
Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny faritr’i Ambatomitsangana, kaominina Ambohimangakely, ny alarobia teo. Trangam-pifamoivoizana roa no nitranga tao an-toerana ary tsy mifanalavitra, raha ny voalaza.
“Telo mianaka no nitaingina moto ary nosongonana fiara tsy mataho-dalana. Tsy mbola tafiala ity moto ilay fiara ka nanapaka tampoka ka tra-doza ireo telo mianaka. Vokatr’izay, naratra izy telo mianaka ary ilay vehivavy no voa mafy” hoy ireo nanatri-maso ny zava-misy.
“Nisehoana tranga iray ihany koa, izay tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza fa lehilahy iray ihany koa no nianjera tamin’ny tongo-droa, izay naratra mafy ihany koa ny lamosiny vokatry ny fianjerena ary efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana tao aorian’ny nitrangan’ny loza” hoy hatrany ny fanazavana.
Mateti-pitranga tao ho ato ny lozam-pifamoivoizana ary ireo mpitondra tongo-droa no tena lasibatra sy voa mafy ao anatin’izany. Ilaina hatrany ny fitandremana ary tokony ho mailo satria ny aina tsy hananam-piry.
Manitra R.
