Ankadinandriana: Ny tsy fanajana ny fananana iombonana no tena manimba ny foto-drafitr’asa
Mampitarina ny mponina ao amin’ny kamonina Ankadinandriana amin’izao fotoana izao ny fahasimban’ny tetezan-kazo ao an-toerana. Ny fanajana izany fananana iombonana izany anefa ny tena manimba ny foto-drafitr’asa tahaka izao, raha ny voalaza.
“Efa ela no nitaraina ny mahakasika ny fahasimban’ity tetezana ity ny mponina fa tsy mbola nisy aloha hatreto ny hetsika amin’ny fanamboarana izany kanefa tena efa mampatahotra ny mandeha eo amboniny” hoy i Fanja, mponina ao Ankadinandriana.
“Anisan’ny zavatra tsy mampandroso ny tsy fanarahana sy ny tsy fanajana ny lalàna sy ny fitsipika napetraka. Tahaka izany ny tena nahasimba ity tetezana ity satria maro ireo kamiao na fiara lehibe mandeha eo amboniny kanenfa tsy araka ny fenitra ny lanja zakan’ilay tetezana ka ny olon-drehetra no mizaka ny fahasimabana” hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
Manoloana izao zava-misy moa dia nandray ny andraikitra ny avy ao amin’ny kaominina. Efa tonga ao an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo ny hazo hanavaozana sy hanamboarana izany.
Manitra R.
