ActualitésTsidika

Madagascar Airlines : Hiverina hisokatra ny sidina mampitohy amin’ny Nosy Maurice

Nanao fanambarana  ny avy ao amin’ny kaompania nasionaly Malagasy mahakasika ny fiverenan’ny sidina manakao amin’ny nosy rahavavy, Maurice, manomboka ny 29 Oktobra 2023. Sidina roa isan-kerinandro, dia ny zoma sy ny alahady hatreto no hisokatra, araka ny voalaza.

« Ao anatin’izany fiverenan’ny sidina izany, misy ny fihenam-bidy ho 357euros ny sidina mampitohy amin’ny nosy Maurice atolotry ny kaompania. Efa hiaraha-mahafantatra tokoa fa anisan’ny mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny kaompania ny fiverenan’ny sidina ity » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Tombony lehibe eo amin’ny firenena roa tonta ity fiverenan’ny sidina ity. Ny fampandrosoana ny fifandraisana an-habaka dia anisan’ny antony mampivelatra ny lafin’ny ekonomika eo amin’ny firenena roa tonta ka tena zava-dehibe tokoa izany » hoy hatrany fanazavana.

Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toe-karena ny fisokafana amin’ny firenena hafa. Ny nosy Maurice ihany koa izay anisan’ny manome sehatra malalaka amin’ireo karazana fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra ho an’ireo vehivavy.

Manitra R.

Laisser un commentaire