Atsimo Andrefana: Manao fitakiana ny hanokafana ny “Base Toliara” ny vahoaka
Nanadritra ny fankalazana ny fetim-pirenena tao Tsianisiha no nanaovan’ireto vahoaka manodidina ny 3000 isa filaharana ny amin’ny fanohanana ny tetikasa “Base Toliara” sy ny fangatahana ny fanokafana azy indray. Ireto vahoaka nanao fitakiana ireto dia mivondrona anaty fikambanana miisa 30 ka ahitana ireo mponina monina akaikin’ ny tioera-pitrandrahana fasi-mainty ,ny akaikin’ny toera-panondranana ny vokatra ary ny avy ao Toliara tampon-tanana .
“Ny “Base Toliara” dia tetikasa iray afaka manolotra asa ho an’ireo tanora maro eto Toliara . Tsy tokony hosakanana satria mbola vitsy ny sehatr’asa afaka iveloman’ny mponina eto an-toerana.Tsy misy afa-tsy ny jono ihany no hany foto-piveloman’ny olona eto ka sitrakay tokoa ny fisokafan’ny base” hoy ny fanazavan’ny tompon’andraiki-panajakana avy ao Belalanda.
Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanamafy ny avy amin’ny fikambanam-behivavy fa mangetaheta fampandrosoana sy asa izy ireo ary mitaky ny hanokafana ny Base Toliara.
Raha ny fanazavana dia efa maro ireo fampiofanana efa nomena ireo tanora mahakasika ny asa ho atao tao amin’ny Base. Nihato anefa ankehitriny ny asa ka velon-taraina ireo rehetra izay nisitraka izany fammpiofanana izany.
Ankehitriny kosa dia miandry ny valin’,ny fityakiana izay nataony ireo fikambanana rehetra nanao ny fitakiana nandritry ny fakalazana ny 26 Jona.
Miranto Andrih
