Masindray: Tontosa soa aman-tsara ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tao Antsaharoaloha sy Antanamalaza
Notontosaina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo, tao amin’ny kaominina Masindray ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tao amin’ny fokontany Antsaharoaloha sy ny fokontany Antanamalaza. Nandritra izany ihany koa no nanatanterahana ny lalao famaranana baolina kitra tao an-toerana, araka ny voalaza.
« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny vahoaka ny fahavitan’ny foto-drafitr’asa tahaka izao. Ny tomponandraikitry ny kaominina ihany koa dia miezaka hatrany mamaly ny hetahetan’ny vahoaka sy mampisitraka azy ireo foto-drafitr’asa araka ny filàna » hoy ireo tompoknandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ataony ka nahavitana soa aman-tsara ny sekoly izao. Tena efa ela no niandrasana izao ary tena ilain’ny mpianatra ihany koa satria entina hampandrosoana ny fanabeazana » hoy i Andry, mpampianatra.
Marihina, ny mahakasika ny lalao famaranana bailina kitra moa dia norombahan’i Soavina ny fandresena tao amin’ny ilany avaratra raha Ambohidraondriana kosa no naharesy tao amin’ny ilany atsimo atsinanana.
Manitra R.
