Ambohimanambola: Niroso tamin’ny fandraisana vonjimaika ny SitPro2 Tanjonandriana ny kaominina
Ny alarobia teo no nirotsaka an-tsehatra, nanatanteraka ny fandraisana vonjimaika ny Sit Pro 2, izay napetraka ao amin’ny fokontany Tanjonadriana ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy. Ity toerana ity izay fanatobiana fako voangona isan-tokantrano, ataon’ny service Raoka Fako, araka ny voalaza.
« Ny 7, 8 ary 9 jolay ho avy io no hanatanterahana ny fanentanana isan-tokantrano eto amin’ny fokontany Tanjonandriana. Ho arahina kilalao sy fanentanana amin’ny hetsika isan-karazany izany ho an’ny mponina sy ny mpivarotra amoron-dalana » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny servisy.
« Tafiditra ao anaty vinan’ny kaominina ny fametrahana rafim-pitantanana fako mahomby ary maharitra, miainga amin’ny zava-misy isam-pokontany. Noho izany indrindra no antom-pisian’ny servisy Raoka Fako » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
Mandrindra sy mandaminana ny fitantanana ny fako ny fisian’ny service Raoka Fako amin’ny kaominina iray, ao Ambohimanambola. Ao anatin’ny famolavolana paik’ady fametrahana izany amin’ny amin’ireo fokontany hafa manodidina ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana.
Manitra R.
