Masinandray: Hanolotra fampiofanana ho an’ny tanora sy te ho mpanabe ny Club-academy
Hanolotra fampiofanana ho an’ireo tanora na te hisehatra amin’ny fanabeazana ny Club-academy, avy ao amin’ny kaominina Masindray. Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha 25 taona nijoroan’ny vondrom-panabeazana ity, raha ny voalaza.
“Amin’ny zanak’i Masindray ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana Club-academy, dia mahatsiaro manokana an’i Masindray amin’izao fankalazana ny tsigerin-taona faha 25 taona izao. Ka araka izany indrindra dia hanome fanofanana maimaim-poana ireo tanora zanak’i Masindray sy ireo fokontany miisa 11 ao aminy” hoy ny tomponandraikitra ao an-toerana.
“Mandritra ny fotoam-pialantsasatra lehibe no hanatanterahana ny fiofanana. Ary ao anatin’izany fanofanana izany dia ahazoana A.Ex na A.E ho an’ireo mpanabe na ireo maniry ho mpanabe eny amin’ny ambaratonga fototra” hoy hatrany ny fanazavana.
“Tsy hanome trondro fa hanome fintana hanjonoana sy hampianatra hanjono” io no teny entin’ny Club-academy amin’izao fanomezana fiofanana izao. Mila toroana sy omena fahalalana tokoa ny olona, indrindra ny tanora mba tsy hanjehy ny andro lava fa hanovo fahalalana enti-manatsara ny ho avy.
Manitra R.
