Kolontsaina: Hahazo laka ireo mpankafy tombokavatsa amin’ny “miss & mister tattoo Mg”
Voalohany eto Madagasikara ity hetsika ity. Hanomezana lanja ireo mpankafy tombo-kavatsa izany. Fotoana iray hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpiangaly tombo-kavatsa ihany koa io fotoana io. Mora ny fandraisana anjara rehefa ampy taona fotsiny ny olona iray ary mitondra tombo-kavatsa eny amin’ny vatany eny.
“Fiaraha-miasa amin’ny Stylish people ity hetsika ity. Ny stylish people izay mampiroborobo ny vita Malagasy rehetra sy ny mpamorona Malagasy tsy an-kanavaka, tafiditra ao anatin’izany ny tombo-kavatsa eto Madagasikara. 18 taona htramin’ny 50 taona no afaka mandray anjara amin’ity lalao ity. Tsy mifidy na lahy na vavy fa manana tombokavatsa fotsiny izy eny amin’ny vatany. Na Malagasy na vaghiny fa mipetraka eto Madagasikara. Tsy hanavahana olona ihany koa ary lalao misokatra ho an’ny olona manana fahasembanana”, hoy ny mpikarakara avy ao amin’ny Havatsa Dago Tatoo.
“Tsy vitan’ny lalao fotsiny amiko fa sady ihany koa hetsika iray natao hanalana ny hevi-draikitra amintsika Malagasy rehetra mahakasika ny tatouage ity hetsika ity. Horesahan’ireo mpandray anjara mantsy ny tantaran’io tatouage amin’ny vatany io mandritra ny fifaninanana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Handalo dingana maromaro ny lalao, hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo mpanao tombo-kavatsa maro. Hifarana ny 15 jona izao ny fisoratana anarana amin’ny sarany 5000ariary.
Miora Raharisolo
