Alasora: Lehilahy nikasa hamono ny mpampiasa azy tratran’ny polisy
Lehilahy iray nikasa hamomo hahafaty ny mpampiasa azy teo aloha, tamin’ny famaky no tratran’ny polisy, tao Ambatonjara, kaominina Alasora. Nahazo antso avy amin’ny tompontrano teny an-toerana ny polisy no nahafahana nanatratra azy, raha ny voalaza.
« Efa nangalatra vola tao amin’ity tokatrano iray ity lehilahy ity ary efa nahiditra am-ponja teny Antanimora noho izay heloka nataony izay kanefa izao mamerina ny asa ratsiny izao indray rehefa nahazo fahafahana » hoy ireo avy amin’ny kaomisarian’ny polisy.
« Efa nisy moa ny fanadihadiana natao ity lehilahy ity taorian’ny fahatratrarana azy ary natolotra ny fitsarana. Ankehitriny efa voatazona vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy ity » hoy hatrany ny fanazavana.
Ankoatra ity lehilahy ity, dia nisy ihay koa moa ny fahatratrarana jiolahy mpamerin-keloka ihany koa, nataon’ny polisy avy ao Alasora hatrany. Ity iray ity izay voalaza fa efa mpampihorohoro ny mponina ao an-toerana ary fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafana nisambotra azy.
Manitra R.
