Tsy fanjarian-tsakafo : Ikongo no tena lasibatra amin’izao fotoana izao
Dépêche 31 janvier, 14h, Ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana no tena miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo betsaka amin’izao fotoana izao. Ao Ikongo no tena faritra lasibatra amin’izao fotoana izao. Ny rivo-doza Batsiray no tena niteraka izany olana izany ka nihena ny vokatra. Efa nahazo tohana ara-tsakafo avy amin’ny Medecins Sans Frontières moa amin’izao fotoana izao ireo ankizy tena miaina anatin’izany olana izany. Hiantsoana ireo izay manana sy malala-tanana rehetra izany tranga izany satria raha mbola misy ny rivo-doza mahery vaika mamely ny toerana dia hivadika ho loza izao tranga izao ka hiteraka fahavoazana goavana ho an’ny mponina.
