Dépêches

Toetr’andro : Miverina amin’ny fotoam-pahavaratra tsotra i Madagasikara

Dépêche 30 janvier, 12h, Rehefa avy nandalo iny andro ratsy izay naharitra andro maromaro iny ny Malagasy dia miverina amin’ny fotoam-pahavaratra tsotra amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny telo andro misesy dia ho maina ny andro raha ny eto andrenivohitra saingy mila miomana hatrany satria tsy mampiomana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny tolak’andro rehetra amin’ity anio alatsinainy dia ho toy izao : Hanoram-baratra any Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany. Hisy tandrifindrahona vitsy mety arahin-kotroka any amin’ny ilany atsinanan’i Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Handrahona ny ilany andrefan’ny afovoan-tany. Handrahona vitsy na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Izany no hilazana fa mbola ilaina ny mitandrina amin’izay mety ho fiovan’ny toetr’andro.

Laisser un commentaire