Fanatanjahantena : Efa any Baraki hiatrika ny dingana manasa-dalana ny Barea
Dépêche 30 janvier, 11h, Taorian’ny fandresen’ny Barea CHAN an’ny Mozambique teo amin’ny lalao ampahefa-dalana dia efa niainga avy ao Constantine izy ireo hiazo an’ny Baraki izay toerana hiatrehana ny lalao manasa-dalana. Hifanandrina amin’ny Senegal izy ireo amin’io lalao manasa-dalana voalohany amin’ny CHAN izay hatrehan’izy ireo io rahampitso talata 31 janoary 2023. Mbola mafimafy io lalana io ka milan y fanohanana avy amin’ny Malagasy rehetra izany. Hatao ao amin’ny kianja « annexe » ny fanomanan-tena rehetra ary antenaina hitondra vokatra tsara izany. Raha tsiahivina moa dia i Romuald Rakotondrabe na i Rôrô no voasafidy ho mpanazatra mandrika indrindra hatreto nandritra ny CHAN.
