ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hampifandraisina ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny sehatry ny fambolena

Asa lehibe eto amin’izao tontolo izao ny mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny tokony handray anjara amin’izany ihany koa i Madagsikara na dia ho an’ny mponiny irery ihany aza. Ezakay ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana amin’izao fotoana izao ny fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny famokarana mitombo lenta. Miara-miasa ankehitriny ny Ministera sy ny FAO hahafahana manatratra izany tanjona izany.

« Fanentanana sy fampiofanana ary fampianarana mivelatra ngeza mihitsy no fomba natao hanatanterahana izany asa izany. Ireo tavy sy ireo fanapahana ala izay natao hambolena no tena lehibe indrindra amin’ny fanimbana ny tontolo iainana hataon’ireo tantsaha. Hahahafahana manafoana izany indrindra no hisan’izany fampianarana sy fanentanana izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

« Anisan’ny hampidirina ihany koa fomba fambolena « bio » izay natao hahafahana manova fomba fanao vaovao sady hahazoana vokatra mahomby kokoa. Ny tena antony hanaovana izao asa ziao dia satria ny 80% amin’ny Malagasy dia mbola mivelona amin’ny ffambolena kanefa fambolena tsy manaraka ny fenitra ka maniomba ny tontolo sy ny biodiversité », hoy hatrany ny fanazavana.

« Tokony efa ela no nanaovana izany hetsika izany satria tsy vao izao no niseho izany tranga izany. Efa hatramin’izay no 80% amin’ny Malagasy no mivelona amin’ny alalan’ny fambolena ary efa fantatra hatramin’izay ny fomba fanaony. Ilay miandriandry ka mahita loza efa ngeza be mitatao vao mandray andraikitra dia tsy mitondra makany amin’ny vahaolana vetivety fa tsy maintsy mbola miainana anaty olana mandritra ny fotoana ela ela ihany aloha », hoy i Avotra, mpitantana tetik’asa mahaksika ny tontolo iainana.

Ny FAO, ny MEDD ary ny MINAE no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity tetik’asa lehibe ity. Hitondra fiovana ho an’ny tsirairay izay manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana manodidina azy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire