ActualitésTsidika

Lakozia : Efa any an-toerana ireo mpandray anjara amin’ny fiadina ny tompon-daka maneran-tany amin’ny fikarakarana sakafo.

Ny alakamisy 19 janaory izao no hanomboka ny fifaninana izay ho tompon-daka maneran-tany amin’ny fikarakara sakafo izay hatao any Lyon. Efa any an-toerana ankehitriny ireo mpilalao ary efa ao ihany koa ireo solontenan’ny Madagasikara izay tarihin’i Chef Lalaina Ravelomanana. Miisa telo izy ireo no hitondra avo ny fomba fikarakarana sakafo malagasy mandritra io lalao io.

« Efa anaty fahavononana tanteraka izahay amin’izao fotoana izao. Efa vita ny fanomanan-tena ary efa manomboka mametrapetrka ny fomab enti-miady sisa. Efa samy motivé tsara daholo na ireo cheffe miaraka amiko aza. Mahatoky azy ireo aho satria mpiara-miasa amiko ao amin’ny « Marais Restaurant Madagascar » rahateo ihany ko aizy ireo ka efa fantatro ny fahaizany. Hitondra avo an’ny Madagasikara no tanjona », hoy i Chef Lalaina Ravelomanana tamin’ny fanazavany.

« Raha mbola misy Équipe Malagasy hiady ny Amboara eran-tany izany tompoko, dia tokony tsy am-pisalasalana isika Malagasy rehetra manohana. Soa aza misy azy ireo, mba tsy ilay Madagasikara mahantra indrindra no arangaranga foana. Betsaka ny zavatra tsara ka rariny raha ankalazaina izany satria matoky fa mahay ireto solontenantsika ireto », hoy i Yolande tamin’ny fanehona-keviny.

Ny alarobia 19 janoary izao araka izany no hamaranana ity lalao hiadiana ny amboara eran-tany amin’ny « Coupe du Monde des Traiteurs » ity. Miara-dalana amin’izany dia haneho ny fahazai-manaony ao amin’ny Eurexpo ao Lyon ihany koa i Chef Lalaina mandritra izany fotoana izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire