Fianarantsoa : Mandà ny fandaminana ny mpivarotra asa tanana ao Anjoma.
Dépêche 11 janvier, 12h, Mandalo ao Fianarantsoa kanefa tsy mividy na mijery ny asa tanana dia mitovy amin’ny tsy mandalo Fianarantsoa. Anisan’ny zava-misy iray mampiavaka azy izany. Misy ny fandaminana izay hataon’ny Kaominina hampilamina ny tanàna amin’izao mahakasika ireo mpivarotra asa tanana ireo. Hafindra toerana izy ireo satria tery eo kanefa tsy manaiky izany izy noho ny antony samihafa. Izany anefa no natao mba hisian’ny filaminana eo anivon’ny tanàna. Ansian’ny tafiditra antin’ny fahalalam-pomba mbola mila hianarana ihany koa ny fanekena fandaminana amin’ny rariny ho an’ny rehetra.
