Sabotsy Namehana : Hitombo avo roa heny ny tanjaky ny transformateur ao Namehana
Hitombo avo roa heny ny tanjaky ny famokarana herinaratra ao Namehana, taorian’ny nametrahana ireo fitaovana mifandraika amin’izany tao an-toerana. Araka ny voalaza, efa ela ireo mpanjifa no nitaraina mahakasika ny tanjaky ny jiro miasa eny an-toerana ka izao novalian’ny orinasa jirama antso izao.
« Hitombo avo roa heny ny tanjaky ny herinaratra eto Namehana manomboka izao satria manana tanjaka 100kva ny transformateur vaovao vao napetaka ity raha toa ka 50kva ny tanjaky ny teo aloha » hoy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny jirama.
« Tsy hijanona eto Namehana ihany ny tetik’asa fanatsarana ny famatsiana herinaratra fa hiparitaka manerana an’Antananarivo sy any amin’ny faritra. Ny tanànan’Antsofinondry indray no vinavinaina hanatanterahana ny asa amin’ny herinandro ambony » hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa, fa tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ireo mpiasa sy teknisianina ao amin’ny Jirama no niasa nanolo ity fitaovana ity tao an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
