ActualitésTatitra

France : Karohina fatratra ilay lehilahy nikapa ny zanany kambana tamin’ny famaky

Raha hiverenana ny tranga dia lehilahy iray 46 taona no nandeha tao amin’ny tranon’ny vadiny taloha tao Montreuil-sur-Barse, ao Aube ny alin’ny faran’ny herinandro teo. Rehefa tonga tao an-toerana izy dia nokapainy ny famaky im-betsaka ny zanany kambana 11 taona. Naratra nandritra io fotoana io ihany koa ny renin’ireto farany rehefa niaro azy ireo.

Mbola nahavita niantso ny manam-pahefana nefa io renim-pianavakiana io. Nodoran’ilay lehilahy kosa ny trano talohan’ny nitsoahany, saingy avotra soa aman-tsara izy telo mianaka rehefa niafina tao amin’ny rihana voalohany. Nentina tany amin’ny hopitaly izy ireo, ary efa tsy atahorana ny ainy. Karohin’ny manam-pahefana kosa ilay raim-pianakaviana amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire