Fampianarana ambony : Misy ny test hoan’ny mpianatra maniry hiditra ao amin’ny Institut IISS
Mitady mpianatra hofanina ho matihanina no tanjon’ny Institut IISS ka hanofana mpianatra mendrika izany no antom-pisiany. Ahafahana mitily sahady izany mpianatra hofanina izany dia misy ny fifaninana hidirana ho mpianatra taona voalohany izay miendrika « test » izy io. Tsy maintsy mandalo izany avokoa ny mpianatra vao afaka miditra mianatra sy miatrika ny fampianarana ato amin’ny IISS.
« En ligne na an-jotra ny fanatanterahana ny test izay hatao ka ny 23 sy ny 24 janoary izao izany. Iray ora monja no faharetanay izay hanomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 10 ora maraina ihany. Ny vola aloha amin’izany kosa anefa dia 20 000 ar. Efa manomboka mandray ny mpianatra te hisoratra anarana amin’ny « test » izahay izao ary tsy hifarana izany raha tsy ny 20 janoary 2023 izao », hoy i Liva Razanajafy, tompon’andraikitra avy ao amin’ny IISS.
« Natao ho takatry ny mpianatra manana ny mari-pahaizana « baccalauréat », ny test kanefa kosa natao indrindra hitiliana ireo ho matihanina atsy aoriana kely atsy. Ho hita ao anatin’izany ny QCM amin’ny « français sy ny anglais » ary ny fahalalàna ankapobeny. Tsy amabakan’izany ihany koa ny matematika. Ireo taranja efatra ireo no hanadinana amin’ity test ity », hoy hatrany ny fanazavana.
Efa misokatra ny fisoratana anarana ho amin’izany test izany izay hatao ao amin’ny Immeuble La Vallée Antsakaviro, Box n°2 miaraka amin’ny vola 20 000 ar. Vinavinaina hivoaka ny 30janoary kosa ny valiny ka hitohy amin’ny fisoratana anarana farany aorian’izay.
Miora Raharisolo
