Teknolojia : Hisy ny salon des métiers du numérique ZAHA GEEK andiany voalohany
Dépêche 09 janvier, 14h, Mikarakara ny « salon des métiers du numérique ZAHA GEEK » ny avy ao amin’ny Orange Digital Center Madagascar sy ny French Tech Antananarivo. Andiany voalohany ity nokarakaraina ity izay hatao ny 27 sy 28 janoary ho avy izao ao amin’ny Radisson Blu. Roa andro izay hihaonan’ireo tanora mitady asa mahakasika ny teknolojia sy ireo orinasa izay mitady mpiasa amin’izao fotoana izao. Mety hisy ihany koa fanoroana lalana ireo tanora izay te hisehatra amin’ny tontolon’ny teknolojia na ny IT/SI & Digital.
