Dépêches

Antsiranana : Lehilahy 3 tratran’ny Polisy nandray zava-mahadomelina.

Dépêche 09 janvier, 13h, Lehilahy miisa 03 indray  no tra-tehaky ny Polisy  teo am-pandraisana zava-mahadomelina  mahery vaika toy ny héroïne tao Tanambao Tasaina. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo moa ny fitaovana maro samihafa fampiasa amin’izany  ary nosamborina avy hatrany ireto andian-dehilahy ireto. Antony tsy maintsy hisamborana azy ireo dia mba ho filaminan’ny vahoaka satria voamarina hatrany fa rehefa misy famonoana olona feno habibiana na  halatra na fandikan-dalàna hafa fa saika ireo olona mandray sy miankina amin’ny  zava-mahadomelina no mahavita manao ireny asa ratsy ireny. Mety tsy ireto tratra ireto anefa izany ka ilaina hatrany ny fahamailoana.

Laisser un commentaire