ActualitésTatitra

Maurice : Olona 7 no tratran’ny « procès-verbal » noho ny tsy fikajiana rano

Efa herinandro maromaro izao no niatrika hain-tany ny nosy Maurice. Manoloana izany dia voasazy avokoa ny tsy fikajiana rano an-toerana, araky ny lahatsoratr ao amin’ny « Central Water Authority Dry Season Regulations 2022 » fa mety handoavana lamandy Rs 50 000 (5 tapitrisa Ar) sy hanefana taona 2 midina an-tranomaizina ny fandikana izany.

Hatramin’ny taom-baovao teo dia olona fito no niatrika « procès-verbal » tao an-toerana noho izany tsy fikajiana rano izany. Mponina tao Saint-Pierre, Bel-Air-Rivière-Sèche, Belle-Mare, Triolet, Rivière-du-Rempart ary Vacoas izy ireo raha ny fanazavan’ny tompon’andrakitra. Nanamafy izy ireo fa mety hatratra hatramin’ny Rs 200 000 (20 tapitrisa Ar) ny lamandy ho an’ireo mampiasa rano ivelan’ny filàna ao an-tokatrano.

Laisser un commentaire