Dépêches

Halatra moto : Afaka maka ireo moto very ny tompony eny anivon’ny Polisy.

Dépêche 05 janvier, 12h30, Maro ireo olona izay mitaraina ho very moto na ny kodiaran-droa eto Antananarivo Renivohitra ka mampilaza izany eny anivon’ny Polisim-pirenena. Efa maro ireo hita sy tratra ka ao amin’ny kaomisaria ny boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo ambony no foibe nametrahana izany. Entanina araka izany ireo izay manana moto very mba hanatona eny an-toerana miaraka amin’ny taratasy fanamarinana haka izany. Efa miparitaka any anaty tamba-jotram-pifandraisana any ireo sary mampiseho ireo moto izay hita ka afaka jerena.

Laisser un commentaire