Dépêches

Brickaville : Namaly ny antson’ireo traboina ny tompon’andraikitra.

Dépêche 04 janvier, 13h, Noho ny fahamaizan izay nioseho tao Brickaville ka nahatonga fianakaviana miisa 96 lasa traboina dia tonga nanaolotra fanampiana sy vahaolana ho azy ireo ny tompon’andraikitra. Delegasionina izay notarihin’ny Minisitry ny asa tanana Sophie Ratsiraka no tonga nitondra izany fanampiana izany. Entana ilaina ho amin’ny andavan’andro na ny PPN no nozarain’izy ireo niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana. Tao ihany koa ny BNGRC izay nametraka ireo « tentes » maro entina hampiantranoana ireo traboina aloha.

Laisser un commentaire