ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nampifaly ireo mponina teny ifotony ny hetsika krismasy isam-pokontany

Nahazo ny anjarany tamin’ny hetsika krismasy isam-pokontany avokoa ireo fokontany rehetra izay mandrafitra ny kaominina Ambohimanambola. Nahazo fifaliana avokoa, indrindra ireo ankizy nandritra ny fitetezana isam-pokontany nataon’ny kaominina.

« Tontosa soa aman-tsara ny hetsika izay nokarakarain’ny kaominina, izay nitondrana sy nizarana hafaliana teny amin’ireo fokontany rehetra manerana ny kaominina » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Isaorana feno ny ireo tompondraikitra nanatontosa ny hetsika. Nahazo ny anjarany avokoa na ny kilonga na ny ray amandreny » hoy i Sahondra, mponina ao Ambohimanambola.

Anisan’ny fotoana fanakaikizana ny vahoaka sy hifampitafana amin’izy ireo, eny ifotony, ny hetsika tahaka izao. Raha tiana tokoa ny handroso dia ireo eny ifotony no mila jerena sy atao laharam-pahamehana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire