Heloka an’habaka : Tratra ny lehilahy 23 taona mpisoloky amin’ny m’vola
Dépêche 21 décembre, 16h, Tafiditra anatin’ny heloka amin’ny habaka na amin’ny aterineto ny fisolokiana amin’ny alalan’ny m’vola. Mahavoasazy izany toy ity tranga iray ity. Lehilahy 23 taona no tra-tehaky ny polisy raha tratra nanao fisolokiana tamin’ny alalan’ny mvola. Rehefa avy manao « opération mvola » ny olona manantona cash point dia maharay antso avy amin’olona mitonona ho mpiasan’ny telma ary lazainy fa » bloqué » ny mvola-ny. Rehefa miantso azy izy ireo dia araraotiny ampanaovina « opération » mba ahafahany misintona ny vola ao anaty kaonty. Mahatratra hatramin’ny 2tapitrisa ariary ny vola azony amin’izany ka raha atambtra hatreto dia efa mihoatra ny 40 tapitrisa ariary izany vola azony izany. Tsara ny mampahafantatra fa rehefa ny ireo « opérateur » no miantso dia ilay anaran’ilay orinasa mihitsy no miseho eo amin’ny finday ka samia mailo hatrany.
