Anjeva : Notokanana ireo foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio
Nisy ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio, tao amin’ny fokontany Ambatofolaka, kaominina Anjeva, ny alatsinainy lasa teo. Ny ben’ny tanàna ao an-toerana niaraka tamin’ireo mpiara-miombonan’antoka sy ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano no nanolotra izany ho an’ny mponina.
« Natolotra ny foto-drafitr’asa rano fisotro madio vaovao ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Ambatofolaka. Paompin-drano 11 isa no notokanana nandritra izany, miaraka amin’ny fanasana tanàna ho an’ny mpianatra ao amin’ny EPP » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Isaorana feno ny ben’ny tanàna nanolotra ireo foto-drafitr’asa ety amin’ny fokontany. Anisan’ny manampy betsaka ny mponina tokoa izao ary hanamora ny fahazoana rano ety an-toerana, izay anisan’ny nampijaly ny mponina hatramin’ny taona maro » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin ‘ny fokontany.
Ny fisitrahana rano fisotro madio no antoky ny fananana fahasalamana, ary rehefa salama ny vahoaka dia afaka mitondra fampandrosoana amin’ny faritra iray. Ao anatin’izany, ilaina ny fikajiana ireo fananana iombonana ireo ary tokony samy sarotiny ny rehetra amin’ny fikojana izany mba haharitra.
Manitra Ramanantsoa
