SocialTatitra

Kenya : Mampiasa sambo mandeha herinaratra hitsinjovana ny fahadiovan’ny farihin’i Victoria

Sambo kely an’aliny maro no makeny amin’ny farihin’i Victoria, ao Kenya isan’andro. Mandeha amin’ny motera mitaky lasantsy lafo dia lafo ireo sambo kely ireo. Tsy mitarain-tana miepaka anefa ireo mponina ao Kenya satria ny fitsinjovana ny fahadiovan’ny farihin’i Victoria no tanjona. Ho fanampiana izany, manolotra motera elektrika somary ambany vidy kokoa sady atokisana amin’ny kalitaony ny orinasa ASOBO ao an-toerana. Ny hampihenana arak’izay tratra ny fiparitahan’ny entona no tanjon’ny famokarrana io motera elektrika io hoy ny orinasa ASOBO. Eo ihany koa ny mety ho fahaverezan’ny solika ao amin’ny farihin’i Victoria. Antenain’ny orinasa arak’izany ny hivoaran’ny ny tontolo iainana ao Kenya hatrany, amin’ny famokarana io motera io, hoy I Laurence Friso, mpiara-manorina ny orinasa ASOBO. Miovaova araka ny taona sy ny halaviran-dalana vitany ny vidin’ny motera lasantsy iray ao amin’io orinasa io. Mitady izay fomba rehetra ahafan’izy ireo manolotra motera amin’ny fihainam-bidy 20% noho ny an’ny hafa anefa izy ireo. Mitàna anjara asa lehibe amin’ny fampihenana ny fandotoana ny farihin’i Victoria sy ny tontolo iainana ao Kenya ny fandraisana andraikitry ny ASOBO. I Victoria no farihy lehibe indrindra manerantany. Ampy hanampiana amin’ny fitahirizana rivotra madio ahafahan’ireo hazan-drano miaina ao amin’io farihy io ny fiaraha misalahy ataon’ny mponina sy ny orinasa ASOBO  any an-toerana.

Laisser un commentaire