ActualitésTatitra

Océan Indien : Misokatra ny vanim-potoan’ny fitsangantsanganana an-dranomasina

Sehatra iray isany mampidi-bola eo amin’ny sehatrin’ny fizahan-tany ny fitsangantsanganana an-dranomasina (croisières). Efa misokatra izany vanim-potoana izany ho an’ny ranomasim-be indianina indrindra ho an’i Madagascar, Mayotte, Maurice ary la Réunion.

Efa niala tao Afrique du Sud kosa ny sambo Europa 2, izay hitety nosy maro alohan’ny hiazoana an’i Inde sy ny Extrême orient. Handalo ao la Réunion ny 8 novambra izao izany ary hanome tolotra fitsangatsanganana hatramin’ny 11 novambra ho an’olona 500.

Handalo ao Mayotte ny 13 novambra ary ao La Réuinon nny 1 desambra izao kosa ny sambo Hanseanic Spirit, izay sambo kelikely kokoa. Ao Antsiranana no misy azy amin’izao fotoana rehefa avy nandalo an’i Toliara sy Nosy Be.

Laisser un commentaire