ActualitésTsidika

Ambatolampy Tsimahafotsy : Notohizana ny fanamboaran-dalana tao amin’ny kaominina

Notohizana ny fanamboarana ny lalana rari-vato izay tsy vita tamin’ny taon-dasa ao amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, izay ataon’ny eo anivon’ny faritra Analamanga amin’izao fotoana izao.

« Natomboka ny fanohizana ny fanamboaran-dalana izay mankany amin’ny biraon’ny kaominina ao amin’ny renivohitry ny kaominina. Natao ary nohezahina manaraka ny fenitra ny kalitaon’ny asa mba hampaharitra ny foto-drafitrasa, ho lova ho an’ny ho avy » hoy ny avy eo anivon’ny governoran’ny faritra.

« Tsara ary mety ny fanapahan-keivitra ny amin’ny fanohizana ny fanamboaran-dalana, raha vao miato ela loatra ny fanamboarana foto-drafit’asa iray dia manjary manimba na mahatonga famerenan’asa indray ka mety ahatonga faty antoka izany. Eo ihany koa ny fijerena ny vanim-potoana satria ny fahavaratra efa ho avy » hoy i Mahefa, mpianatra amin’ny polytechnique.

Anisan’ny ezaka fampadrosoana ny kaominina ny fanamboaran-dalàna ao an-toerana, izay iankinan’ny fiainana an-davanandron’ny mponina tokoa ny lalana. Raha ratsy ny lalana mety tsy hisy ny serasera ary tsy mandroso ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire