Volosarika Ambanidia : Sady mitsabo no mampianatra ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana ny CSB II
Tontosa tamin’ny alatsinainy ny fitokanana ny foto-drafitrasa nasiam-panavaozana, CSB II Volosarika Ambanidia. Vola mitentina 460 tapitrisa ariary no natokan’ny tetikasa Produir miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena nanavaozana ity fotodrafitrasa.
« Tafiditra ao anatin’ireo CSBII miisa 4 tantanan’ny kaominina Antanananarivo renivohitra mivantana ity eto Volosarika ity. Hanampy betsaka ny mponina eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana izy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. « Mampiavaka ity CBII ity ny fisian’ny efitra lehibe fandraisana mpianatra “préscolaire” izay zanaky ny fianakaviana sahirana eny amin’ny fokontany dimy manodidina ny CSBII. Sady mitsabo no mampianatra ankizy noho izany ny eto » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CSB II Volosarika Ambanidia.
Betsaka tokoa ireo fianakaviana marefo tsy afa-mampianatra zanaka amin’izao. Toerana fanampiana sy fanavotana aina noho izany ity CSB II ity.
Hasina Rasamimanana
