Ambohimalaza : Feno 10 taona ny lycée Ambanitsena
Mankalaza ny faha 10 taona nisiany ny lycée ao Ambanitsena Ambohimalaza amin’ity taona ity. Hisy ny seho an-tsehatra karakarain’izy ireo ny 06 jona ho avy izao ho fampandehanana ny fanabeazana anatiny.
« Ao amin’ny kianja malalaka Kolejy Sainte Thérèse no hanaovana ny hetsika fankalazana ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao. Ireo mpanakanto tena manana ny lazany no ho avy amin’izany. Manasa antsika rehetra ho tonga ho fanohanana hatrany ny fanabeazana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny lycée Ambanitsena. « Hetsika hanampiana ny zanatsika ihany ny hetsika toy izao. Mila fanohanana hatrany avy amintsika ho entina hampandrosoana hatrany ny lntan’ny fanabeazana » hoy i Clarisse, ray aman-drenin’ny mpianatra.
Zava-dehibe tokoa ny fanohanana ny hetsika ho entina hanatsarana ny fampianarana tahaka izao. Tsy tombontsoan’olona manokana manokana mantsy no ao fa tombontsoan’ny firenena mihitsy. Miainga amin’ny sekoly tsirairay tokoa ny fandrosoan’ny lentan’ny fanabeazana eto amintsika.
Toky Randriamanalison
