Ambohimanga Rova : Mandeha tsara ireo jiro napetraka
Tena nanampy betsaka ny mponina tao Ambohimanga Rova ny fametrahana jiro manazava ny lalana. Jiro 302 no nozaraina nanerana ny Fokontany tao amin’ity kaominina ity, izay avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.
« Isan’ny tanjona tamin’ity tetik’asa ity ny hampihenana ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana. Ny alina mantsy no fanjakan’ny ratsy. Io tsy fandriam-pahalemana io ihany koa no sakana lehibe tsy mampandroso antsika » hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Ramaroson Andry. « Mila mitandrina anefa isika amin’ny fiarovana itony fananana iombonana itony. Efa hita izao ny maha zava-dehibe azy. Mandeha tsara ny jiro isaky ny lalana manerana ny tanàna » hoy i Junot, mponina ao Ambohimanga Rova.
Mandeha tsara ireo jiro napetraka ireo amin’izao fotoana. Adidin’ny mponina ety ifotony kosa ny miaro sy manaja izany.
Nicole Rafalimananjara
