ActualitésTsidika

Ankaditoho : Fiangonana iray manakotaba fiarahamonina

Mitaraina ireo mponina eny amin’ny fokontany Ankaditoho noho ny kotaba ataon’ny fiangonana zandriny iray eny an-toerana. Saika ho isan’andro ny tabataba izay zary manakorotana ny fiarahamonina mihitsy.

« Tsy misy fitoniana mihitsy fa dia tabataba foana no iainanay. Tsy misy fitsaharana fa mivavaka foana manomboka main’ny 6 maraina hatramin’ny 10 ora alina isan’andro isan’andro. Betsaka anefa ny zokiolona mipetraka eny amin’ny manodidina izay tsy mahaaka izany » hoy i Fano, mponina eny Ankaditoho. « Efa nametraka fitarainana teny amin’ny tompon’andraikitra izahay toy ny teny amin’ny Fokontany sy ny Kaominina. Tsy misy tohiny anefa izany » hoy i Vololona, zokiolona mipetraka eny amin’ny manodidina.

Tokony hisy tokoa ny famerana ny fotoana hiangonan’ny mpiangona amin’ity fiangonana ity mba tsy hanakorotana ny mpiara-belona. Saika nahenoana fitarainana avokoa ny mponina teny amin’ny manodidina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire