ActualitésTsidika

Ambohimanga : Inona no nahatonga ilay anarany ?

Toerana masina eto Madagasikara i Ambohimanga, ary tena manana ny tantarany. Tsara ny mahalala ny tantara mba tsy ho tompon-trano mihono isika.

« Rehefa maty Andriambahoaka afovoanintany dia nisy ady an-trano tao Imamo, maro ireo andriana no tsy nanaiky ho fehezin’ny havany ka niady. Nisy ireo Andriana izay tsy niady fa kosa nifindra nonina taty Imerina » hoy i Robel, mpahay tantara. « Taranak’Ambohitrabiby i Ampanarifito sy Andriamborona izay taranak’Andriandoriamanjaka, nifindra teto Imerina. Nifidy ny vohitra eo adrefanan’Ambohidrabiby i Andriamborona ary izy no nanao azy hoe Ambohitrakanga. Andriamasinavalona (Andriantsimitoviaminandriana zanany) kosa no nanova azy ho Ambohimanga. Andriamborona no taranak’Andriana nonina voalohany tao Ambohimanga ary milevina ao Andranomboahangy. Nomeny an’Andriantsimitoviaminandriana ny vohitra rehefa nifanaiky Andriamborona sy Andriamasinavalona fa tsy ho very taranaka izy ary mpihavana ihany koa » hoy i Andry, mponina ao Ambohimanga.

Mbola maro ny tantara hafa mirakitra ireo toerana masina misy ao Avaradrano. Mbola misy ihany koa ireo manao fikarohana ankehitriny ny amin’ny tena zava-nisy tao ara-tantara.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire