ActualitésTatitra

Allemagne : Nitokana ny ozininy ao Berlin ny Tesla

Tsy mitsahatra manitatra ny orinasany ny orinasa mpanamboatra fiara Tesla. Notokanan’ilay mpanefoefo Elon Musk sy ilay « chancelier » an’i Allemagne Olaf Scholz omaly 22 martsa ny ozinin’izy ireo voalohany « Gigafactory Berlin-Brandebourg » ao Europe, miorina ao Berlin. Afaka mamokatra fiara amin’izay io toerana io rehefa naorina tao anatin’ny roa taona. Raha tsiahivina dia ny volana novambra 2019 teo no nanambarana ny fanatanterahana ny tetikasa. Manamarika ny indostrian’ny fiara ao Allemagne ity fahatongavan’ny Tesla ao an-toerana ity hoy ny sendikan’ny IG Metall noho izy ireo manakaiky ny mpifaninana voalohany aminy amin’ny famokarana fiara mandeha amin’ny herinaratra Volkswagen sy Mercedes.

Laisser un commentaire