SocialTatitra

Ukraine : Hanampy ireo mpamboly ny Union Européenne

Tsy te hahita ny mponin’i Ukraine ho fatin’ny hanoanana i Bruxelles. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny Union Européene fa hanampy ireo mpamboly amin’ny famokarana ireo vokatra manaraka indray na eo aza ny ady.Nanolotra solika sy zezika izy ireo noho izany ary nitondra fanampiana ara-tsakafo ny firenena ihany koa raha ny voalazan’ny vaomierana misahana ny fambolena ao Europe, Janusz Wojciechowski. Nivory tao Bruxelles ireo minisitra 27 nifampiresaka tamin’ny horonantsary napitain-davitra niaraka tompon’andraikitr’i Ukraine, Roman Leshchenko izy ireo manoloana izany.

Laisser un commentaire