Dépêches

Ambatofinandrahana : Basy tsy ara-dalàna miisa 19 azon’ny zandarimaria

23 Martsa, 10h00. Vokatry ny fanentanana nandritra ny « Tagnamaron’ny Fandriampahalemana (TAFA) » tao amin’ny fokontany Ivary kaominina Ambonivohitra sy Distrika Ambatofinandrahana ny 03 martsa teo izay notarihin’i kapiteny Christian Rajakoba, komandin’ny vondron-tobim-paritra Ambatofinandrahana dia tonga tao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria Ambatofinandrahana nanatitra basy vita gasy miisa sivy amby folo miaraka amin’ny bala miisa sivy ny Sefom-pokontany niaraka amin’ireo mpiaradia taminy omaly 22 martsa. Notazonina ao amin’ny trano fitahirizam-basin’ny Saiholafy faha 61 Zandarimaria izany.

Laisser un commentaire