Fandriam-pahalemana: Voasambotry ny miaramila ny mpanendaka iray
23 Martsa, 10h30. Nahitam-bokany ny fampandriana fahalemana andrenivohitra ataon’ny Tafika. Lehilahy iray no voasambotry ny miaramila mpandeha tongotra avy ao amin’ny toby RTS tao Fort Voyron raha tratra nanendaka ankizy avy nianatra. Efa natolotra ny Zandarimaria ao Fiadanana ity olon-dratsy ity
