SocialTsidika

Tontolo iainana : Vonona hanohana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireo mpiara-miombon’antoka

Nanamafy ny fahavononany hanohana ny Ministeran’ny tontolo iainana ny mpiara-miombonantoka mivondrona ao amin’ny PCS-E na « Plateforme de Coordination Secteur Environnement ». Nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta teny amin’ny birao foiben’ny Vondrona Eoropeana ao Ankorondrano.

« Fintinina amin’ny teboka fito lehibe ireo laharam-pahamehana izoran’ny Ministera. Isany amin’izany ny fanamaitsoana an’i Madagasikara, fampiasana paik’ady vaoavo mamaly ny zava-misy sy ny filàna ankehitriny. Eo ihany koa ny fiarovana ny harena voajanahary, ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary ary ny diplaomasia ara-tontolo iaianana » hoy ny Minisitry ny tontolo iainana, Vina Marie-Orléa. « Vonona hanohana sy hiara-hiasa akaiky amin’ny Ministera izahay amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Hanampy hitondra fandrosoana eny ifotony ihany koa » hoy ireo mpiara-miombon’antoka.

Mila fanarenana hatrany ny tontolo iainana. Tsara raha samy mandray andraikitra ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire