Imbiki Herilaza : Namoahana IST
22 Martsa, 10h00. Voarara tsy mahazo mivoaka ny sisintanin’i Madagasikara ny minisitry ny fitsarana teo aloha sady mpitsara am-perinasa Imbiki Herilaza, raha ny fampitan’ny fitsarana. Raha tsiahivina dia nametra-pialana tsy ho isan’ny mpikamban’ny governemanta intsony izy ny volana febroary taorian’ny raharaha mahavoakasika azy niparitaka tamin’ny tamba-jotra Facebook.
