ActualitésTatitra

Croatie : Valan-javaboahary lehibe indrindra ao an-toerana ny Plitvice

Valan-javaboahary mandrakotra velaran-tany 30 000 hektara ao Croatie ny « Parc national Plitvice ». Tamin’ny 8 aprily 1949 izy no niforona ary tafiditra ao amin’ny vakoky ny Unesco nanomboka ny taona 1979. Ao amin’ny ahavoan’i Alpes ao afovoan’ny firenena no misy azy. Manafangaro alaala sy ranorano miavaka amin’ny farihy rehetra ity toerana ity izay manitikitika siantifika sy mpizahatany maro.Mampifandray riandrano maromaro sy rano ambonin’ny tany ary ambanin’ny tany maro izy. Faritra arovana ity valan-javaboahary ity indrindra izy manana anjara asa lehibe amin’ny fitohizan’ny fizotry « géochimique » ao amin’ny tambajotra « hydrographique » ambony sy ambanin’ny tany ao an-toerana.

Laisser un commentaire